Nifarana ny herinandro teo ny fampiofanana nomen’ny fikambanana Viavin’i Mandritsara (Fivama) ireo andriambavilanitra mpikambana ao aminy. Naharitra 5 herinandro ny fampiofanana mahakasika ny fandraisam-pitenenana imasom-bahoaka, ho sahy mijoro sy maneho hevitra.
Nilaza ny filohan’ny fikambanana, Razafindrafotsy Joela Martine, fa nahafahan’ireo vehivavy manana fahatokisan-tena amin’ny fahaizana maneho hevitra ny fiofanana norantoviny.
Mpampiofana matihanina amin’ny “art oratoire”, Ratsimisetra Ideali, no nizara ny traikefany tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Fivama ireo.
56 ireo vehivavy nahazo fiofanana ary afaka mizara izany amin’ny manodidina azy. Manomboka eto ihany koa dia misokatra ho azy ireo ny sehatra maro, toy ny serasera sy ny fifandraisana aman’olona, satria efa mahafehy sy manana fahatokisan-tena izy ireo rehefa hisehatra imason’olona. Nahafahany manatsara ny sehatrasa fihariany ihany koa ny fiofanana azo.
Zava-dehibe ny fisian’ny fiofanana ho fampirisihana ny vehivavy hisehatra amin’ny lenta ambony sy hijoro, ho sahy miteny.
Tatiana A