Minaoharisoa Jaofera Christiane, Malagasy mpanao basikety voafidy ho mpilalao mendrika indrindra, nandritra ny Africa Cup 3×3 natao teto Madagasikara, ny herinandro lasa teo. 13 taona izy izao no tao anatin’ny ekipa nasionaly ary anaram-boninahitra maro no efa norombahiny. Tany amin’ny taona 2013 i Christiane no nanomboka nanao basikety ary nandray anjara tamin’ny fifaninanam-pirenena voalohany, ka voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara U14 sy mpilalao mendrika avy hatrany. Teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, mpamono baolina, isa telo, mendrika indrindra i Christiane nandritra ny «Afrobasket U18», ny taona 2016. Teo ihany koa ny nandrombahany ny medaly volamena nandritra ny lalaon’ny Nosy ny taona 2019 sy 2023 ary ny naha tompondaka lefitra ny ekipa malagasy tamin’ny Africa Cup 3×3, ny taona 2022. Vokatra tsara indrindra tao anatin’ny 13 taona naha ekipa nasionaly an’i Christiane, ny nahazoan’ny Ankoay ny tompondakan’i Afrika, tamin’iny Africa Cup 3×3 farany teo iny. Tsy vitan’ny tompondaka fotsiny fa mbola voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra koa izy. “Lava ny lalana, nisy ny fikirizana sy fikelezana aina ary fanamby”, hoy i Christiane. “Aza avela handalo fotsiny ny nofinofy, misy vidiny foana ny ezaka mafy atao”, hoy ny hafany.
Mi.Raz