Vita ny 7 desambra teo ny asa fanarenana ny lalana vonjimaika, fiampitana eo amin’ny tetezan’Ifasy (PK 537+329) sy any amin’ny tetezan’i Mahavavy (PK 568+720). Samy any amin’ny lalam-pirenena faha-6 ireo, ka nanatanteraka azy ny orinasa Colas. Tsiahivina fa tapaka ny tetezana roa vokatry ny rivodoza farany teo, tamin’ity taona 2024 ity. Tsy mbola mandeha ny asa fanarenana ny tetezana, fa vahaolana noraisina ny famoronana fivilian-dalana vonjimaika, miampita ny renirano. Nisy fahasimbana indray anefa izy roa ireo, noho ny orambe tamin’ity fiandohan’ny volana desambra ity, tany an-toerana. Ary izao miverina amin’ny laoniny izao ny fifamoivoizana ho an’ny rehetra, indrindra ny fiara mpitatitra sy ny fiarabe mpitatitra entana. Manentana ny mpampiasa lalana anefa ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) mba hitandrina satria efa ao anatin’ny fahavaratra, firotsahan’ny orana, izao vanim-potoana izao.
Nomena sambo vedety
Manampy ireo, notoloran’ny Biraom-paritra mitantana ny loza sy ny ambana (CDG RC), sambo haingam-pandeha iray sy akanjo aroloza miisa 15 ny distrikan’Ambilobe. Nanome lasantsy 100 litatra ihany koa ny minisiteran’ny Asa vaventy. Hanampiana amin’ny fiampitan’ny mponina sy ahafahana mihetsika amin’ ny fotoana ilana azy ity vedety ity.
Njaka A.