Manohana an’i Madagasikara amin’ny famokarana karazana masomboly mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro ny Repoblikan’i Korea Atsimo. Tanjona koa ny hahafahan’i Madagasikara manondrana vokatra any ivelany. Nampahafantarina ny 6 desambra teo ny fanombohana ny tetikasa « Knowledge Sharing Program » (KSP), ho an’ny taona 2024-2025. Iarahana amin’ny Ivontoerana Institut KDI, rantsamangaika eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola koreana.
Hizara traikefa sy hanolotra vahaolana hamenoana ny banga amin’ny sehatry ny paikady sy ny fahaiza-manao ny tetikasa KSP. Tanjona ny hanatsarana ny fahaiza-manaon’i Madagasikara amin’ny sehatry ny fambolena, mba hisian’ny fampandrosoana maharitra. Eo koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena amin’ny Repoblikan’i Korea Atsimo.
Tsiahivina fa tanjona lehiben’i Madagasikara ny fahavitan-tena ara-tsakafo sady ho afaka manondrana any ivelany.
Njaka A.