Lehilahy iray maty tsy tra-drano nitsoraka tao ambany fiara taksiborosy tao Mangarivotra, fokontany Marofody, kaominina ambanivohitr’ Ambinaninony, distrikan’i Brickaville, Pk 286 + 800, ny sabotsy tolakandro teo. Tao anaty fiolahana ankavanan-dalana no nitranga ny loza. Nisy lehilahy iray nanatona ny fiara Sprinter mpitatitra olona amina kaoperativa iray mampitohy an’i Brickaville sy Toamasina. Avy any Brickaville ho any Toamasina io fiara io ka nandrasan’ity lehilahy niharam-boina ity teo ny nandalovany. Raha vao nandalo ilay fiara, nihazakazaka nandeha namono tena nitsoraka tao ambany fiara izy. Voadona mafy teo amin’ny varavaran’ny fiara amin’ny ilany havanana izy ka nianjera tamin’ny arabe. Vaky tanteraka ny lohany.
Niparitaka ny atidohany
Nipitika teny amin’ny sisin-dalana, niparitaka ny atidohan’io lehilahy namono tena io. Tsy nisy azo natao intsony satria tapitra teo no ho eo ny ainy. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Hoavimamiratra niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSB2 Ambinaninony nanao fizahana ny razana. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny zandary. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary.
J.C