Safidy : “Tsy ampy ny fanazavana ny fandaharanasan’ny kandidà “

“Anisan’ny voambolana ampiasaina ny fitandroana ny fihavanana malagasy. Nefa misy teboka maromaro hoe voararan’ny lalàna ary torina, ohatra, ny fidirana amin’ny fiainan’olona manokana amin’ny fampielezan-kevitra. Izay no mahatonga ny Safidy nilaza hoe: lasa tsy ampy ny fanazavana ny fandaharanasan’ny kandidà”. Io ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny Safidy, Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny fizotran’ny fampielezan-kevitra amin’izao fiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanà­na sy mpanolotsain’ny Tanà­na izao. Toy ny fanafenana ny tsy fananana an’izay fandaharanasa izay ve dia sarihana any amin’ny zavatra hafa ny sain’ny mpifidy? Ny mpifidy efa somary tsy ampy ny fanabeazana sy ny fanentanana olom-pirenena dia tsy afa-manavaka izay tokony handrasana amin’ny mpirotsa-kofidina.
Fotoana izao tokony hohararaotin’ny olom-pirenena mba hahazoana manao safidy: rehefa tonga ny 11 desambra dia amin’izay ny mamakafaka ny hevitra rehetra: iza no kandidà mety hamaly ny hetahetan’ny tena amin’izany hoe fitantanana kaominina izany? Nefa indraindray ny kandidà tsy manome an’izay antontam-baovao ilaina hahazoana manapa-kevitra izay. Ny olom-pirenena koa variana amin’izay karazana fifanaratsiana ataon’ny kandidà. Toy ny hoe fandrebirebena ny sain’ny mpifidy ireny. Satria lasa tsy afa-manaraka dom-berina rehefa tonga ny fotoana hitaky tamberin’andraikitra. Satria na ny andraikitra aza tsy fantatry ny mpifidy hoe inona nampanantenain’ilay mpirotsa-kofidina.

R. Nd.

Partager sur: