Tsy nivoaka teto Antananarivo ny amboara nandritra ny “Slam national 15”. Orad indray, araka izany, no mandimby an’i Santa izay tompondaka farany.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny famaranana ny fifaninanana “Slam national 15” (SN 15). Rado Ravaloson na Orad avy eto Antananarivo no nahazo ny laharana voalohany ho an’ny teo amin’ny sokajy olon-tokana. Mbola Antananarivo ihany koa no nahazo ny laharana voalohany ho an’ny teo amin’ny ekipa. Efa avo lenta ary samy naneho ny fahaizany ny mpandray anjara rehetra. Nanakoako kosa anefa ny “que des 10”, izay fangatahana avy amin’ireo mpijery ny hanomezana naoty tsara indrindra, nandritra ny fandalovan’i Orad teo an-tsehatra. Orad, araka izany, no hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany ho an’ny “Slam Poésie” atao any Paris Frantsa, ny volana mai 2025.
Ambohi-pihaonan’ny mpankafy “Slam Poésie” ny teny amin’ny IFM Analakely nandritra ny famaranana ny SN 15. Hipoka tanteraka ny salle Albert Camus nanatanterahina ny hetsika. Orad, Konahy, Lems, Lucianna, Koura, Ratoljah, Mitsinjo, Vtsk. Ireo no nifaninana teo amin’ny sokajy olon-tokana. Ny ekipan’ Antananarivo, Antsirabe, Antsiranana ary Sambava kosa no teo amin’ny ekipa.
Anisan’ireo niavaka tamin’ireo “Slam national” rehetra hatramin’izay iny SN 15 iny. Tafiditra ao anatin’izany ny lenta sy hamaroan’ireo vahiny iraisam-pirenena nasaina sy tonga. Anisan’izany i Marc Kenny Smith izay namorona ny “Mouvement Slam Poésie”. Izy izay nanome aina sahady ny “Slam Poésie” amin’ny teny Anglisy eto Madagasikara. Teo ihany koa ireo vahiny hafa avy any France, Allemagne, Maurice… Tsy adinoina ireo teratany malagasy, sokajiana ho sangany, nizara ny traikefa sy fahaiza-manaony nandritra ny SN 15. Anisan’ izany i Na Hassi sy Santa.
Lin