Miandry fatratra ny anaran’ny mpanazatra vaovao hitondra ny Barea de Madagasikara A, ny mpankafy baolina kitra, eto an-tanindrazana. Hatramin’izao, tsy mbola fantatra mazava ny isan’ireo teknisianina nandefa taratasy ao amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Tsiahivina fa efa nifarana ny 5 desambra teo ny fe-potoana nomena ireo mpanazatra handefasana taratasy.
Ny taona ho avy io, handray ny fifaninanan’ny ranomasimbe Indianina, i Madagasikara, amin’ny taranja bisikileta. Tsy mbola misy fifaninanana nasionaly ihany nefa hatreto. Tsiahivina fa anisan’ny nampitaraina ireo atleta malagasy, nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023, teto Madagasikara, ny tsy fisian’ny fifanintsanana.
Nisongadina tanteraka ny Barea de Madagasikara Chan, izay notarihin-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, ny faran’ny herinandro teo, resin’izy ireo avokoa ny ekipa voafantin’Amoron’i Mania sy i Vakinankaratra. Tsiahivina fa natao hanomanana ny lalao hifanandrinana amin’i Eswatini, ity natao tany Antsirabe ity.