Tontosa omaly, teny amin’ny AFT Andavamamba, ny seho teatra “Kolosaina” niarahana tamin’ny Tropy Sakaizan’ny Teatra malagasy Jean Joseph Rabearivelo. Ny piesy « Ilay ondry botry » sy « Fitia maroloko » no nolalaovin’izy ireo an-tsehatra nandritra izany. Mahavelombolo ny mahita ny fahalianan’ireo tanora amin’ny zavakanto, indrindra ny teatra. Antenaina, araka izany, ny hiverenan’ny teatra amin’ny hasiny sy ny maha izy azy teo aloha.
Manjohy ny tarika ‘Zay hatrany ireo mpankafy azy. Tamin’ny 3 ora sy 28 minitra katroka no nanomboka ny seho tetsy amin’ny CCESca Antanimena, omaly. Manamarika ny 28 taona nisian’ny tarika ‘Zay iny, tohin’ilay seho goavana tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena. Mbola eo ny tarika manohy manoratra ny tantarany, na eo aza ny sedra maro natrehina. Mbola eo ihany koa ireo mpankafy, tokin-dry Malala sy ny tariny.
“Ny talenta sy ny hoavy”. Atrikasa iray natokana ho an’ireo mpidera sy mpitendry izy ity, hotontosaina rahampitso talata 10 desambra, manomboka amin’ny 3 ora hariva, ao ambonin’ny Zaimaika Analakely. Hitarika izany ny Coach Heman, mpampianatra hira sy mpitarika antoko mpihira. Eo ihany koa ny pasitera Arinelina, izay sady mpanao mozika ao anatin’ny tontolon’ny hira fiderana.
Fanentanana sy fitantarana angano niarahana tamin’ny fikambanana “Ny Tontolontsika” indray no nandravaka ny Trano famakiam-boky Analakely, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra ao anatin’ny hetsika ara-javakanton’ny trano famakiam-boky izao. Tanjona ny hampivelarana ny fahalalan’ny ankizy sy fitaizana azy ho tia sy liana amin’ny zavakanto.