Nandritra ny fitsidihan’ireo tomponandraikitra ny asan’ny USAID tany Atsimo Atsinanana, izay notarihin’ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo, no nijerena ny tetikasa mamatsy herinaratra. Zava-dehibe ny fahazoana herinaratra hanatsarana ny fandrosoana ara-toekarena amina tanàna sy faritra iray.
Tetikasa Hub na foibe ahafahan’ny olona misitraka herinaratra tohanan’ny Power Africa, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Empowering Southern Africa, izy ity.
Mitondra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ho an’ireo vondrom-piarahamonina, hahafahan’izy ireo mampiasa milina, mitoto vokatra sy manjaitra akanjo ary manome tolotra ilain’ny vahoaka ny foibe.
Manampy ny mponina amin’ny fitadiavam-bolany ihany koa, toy ny sehatry ny fanjairana izay ahazoana manenjika vokatra betsaka rehefa mampiasa milina mandeha amin’ny herinaratra. Ny fitotoana ireo karazam-bokatra na fampandehanana sy fanamboarana fitaovana toy ny bisikileta…Ny famahanana vatoaratra sy jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro hanazavana ny tanàna sy ny isan-tokantrano.
« Heverina ho lasa ohatra ho amin’ireo karazana tetikasa azo atao hitondrana herinaratra any amin’ny faritra ambanivohitra ity foibe mpamatsy herinaratra any Atsimo Atsinanana ity », hoy ny masoivoho amerikanina.
Tatiana A