Tsipy kanetibe – Sokajy Senior, lehilahy: Tompondaka maneran-tany 2024 i Zigle, laharana faharoa ny ekipa

Nihofahofa tany Dijon France ny sainam-pirenena malagasy ary nanakoako maneran-tany ny hiram-pirenena “Ry tanindrazany malala ô”, ny alahady lasa teo. Voahosotra ho tompondaka maneran-tany mantsy Rakotondrainibe Daniel (Zigle), teo amin’ny «tir de précision », taranja tsipy kanetibe.

Noporofoin’ny Malagasy indray, ny sabotsy lasa teo, fa andrarezina amin’ny taranja tsipy kanetibe sokajy Senior, lehilahy, ny Malagasy. Voahosotra ho tompondaka maneran-tany 2024, teo amin’ny «tir de precision”  mantsy Rakotondrainibe Daniel (Zigle). Fihaonana notanterahina tao Dijon France. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa mazava 46 no ho 32, ilay teratany hongrois, Nagy Laszlo. Efa nampoizin’ny rehetra ny fandresena satria nisongadina hatrany am-boalohany ny fahaizan’i Zigle, na teo amin’ny fitifirana kanetibe na ny fanalana ny «bouchon». Tsy nisy naharesy mihitsy ny tovolahy nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatreo amin’ny fandrombahana ny amboara. «Misaotra an’Andriamanitra lehibe aho, nahavitako iny fifaninanana iny. Mankasitraka ihany koa ny federasiona sy ny vahoaka malagasy na ny teto Frantsa na ny any Madagasikara nanohana anay hatramin’ny farany. Hitanay avokoa ireny teny fankaherezana nalefanareo tany anaty tambanjotran-tserasera ireny», hoy izy.
Tsiahivina fa anaram-boninahitra faharoa azony ity. Efa tompondaka maneran-tany teo amin’ny olon-telo miaraka mantsy i Zigle, teo amin’ny sokajy Junior, ny taona 2017.

Medaly volafotsy teo amin’ny olon-telo miaraka
Tsy mbola afa-bela kosa ny Malagasy teo amin’ny lalao ho an’olon-telo miaraka. Resin’i Italie, tamin’ny isa 13 no ho 11 teo amin’ny famaranana i Zigle sy i Tina kely ary i Donald. Tsiahivina fa efa resin-dry zareo Italianina ny Malagasy tany amin’ny lalao fifanintsanana. Anaram-boninahitra voalohany izany ity ho an’i Italie.
Marihina fa niady hatramin’ny farany ny fihaonan’ny roa tonta ary nampitsanga-mitoetra hatramin’ny farany. Nitarika 5 no ho 0 i Italie ary tratran’ny Malagasy ka nihoarany mihitsy. Lasa 6 no ho 5 avy eo, lasa indray ny italianina ka 9 no ho 7. Niakatra hatrany amin’ny 10 no ho 6 ary lasa 11 no ho 6 mihitsy. Voasahalan’ny Malagasy indray, 11 no ho 11. Teo no nanary kanetibe iray i Tiana ary nahazoan-dry zareo ny fandresena. Anisan’ny nisongadina tamin’ity ny fifanandrinan’i Zigle sy i Rizzi, teo amin’ny tifitra.

Tompondaka

Partager sur: