VAOVAO TAMBATRA

Hikatona ny 15 desambra 2024 hatramin’ny 31 janoary 2025, ny fotoam-panjonoana horita any amin’ny distrika Toliara II. Voakasik’izany ny kaominina Beheloke sy Anakao. Nentanina azy ireo ny fanajana ny fepetra mba hisian’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina. Nampahatsiahivina azy ireo koa fa 350 grama ny fetran’ny lanjan’ny horita iray farany fahakeliny azo jonoina.

Tafatsangana ny mpikambana ao anatin’ny Vaomiera mpitantana ny drafitrasa 2025 (PTBA) ny tetikasa Defis. Ezaka hifantohana ny hanafainganana ny hampaharitra ny asa atao. Eo koa ny fanohanana ny fanodinam-bokatra hisian’ny fandraharahana amin’ny fambolena (agri-business). Tanjona ny hampisy sy hampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha tantanim-pianakaviana, tohanan’ny tetikasa Defis.

Nisitraka fampiofanana miompy trondro an-dombo sy an-tanimbary, i Hanitra sy Nasta, ny 6 desambra teo. Olon-tsotra avy any amin’ny kaominina Mahazoma, distrika Maevatanàna izy ireo no nanatona ny fanohanan’ny Fitantanam-paritry ny jono (DRPEB) Betsiboka. Hanatanteraka avy hatrany ny tetikasany i Hanitra sy Nasta aorian’ny fiofanana.

Partager sur: