Niavaka noho ny mahazatra ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny hetsika ny alin’ny zoma teo. « Vibe Tropical », izay natao hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy izany amina toerana iray mantsy izy ity. Indrisy, vitsy ireo namaly ny antso na dia niezaka aza ireo mpikarakara. Vokatr’izay fiandrasana mpijery izay, nihemotra ora iray ny fanombohan’ny fampisehoana tao amin’ny efitrano lehibe. Naka fanapahan-kevitra ny hanomboka kosa i Sayda, ka avy dia tafiditra tanatin’ny hafanana ireo mpijery efa tao. Niampy tsikelikely ihany izany, rehefa niditra an-tsehatra ry Basta Lion, narahin’i Lion Hill sy i L-Jo.
Tsy fampisehoana irery anefa, fa tena nampiavaka ny hetsika koa ny fisian’ny “clubbing” tany ambony. Tsy tapaka olona hatramin’ny niravana ny toerana, izay nohafanain’i Dj Looping narahin’ny fanentanan’i Bahrone.
Heverina fa amin’ny maha zava-baovao azy izay no tsy nahatonga maro ireo mpiala voly. Lesoka azo harenina tsara amin’ny andiany manaraka, izay efa nampantenain’ireo mpikarakara fa tsy maintsy hisy izany.
Zo ny Aina