Association Seyen : nanoratra boky hanampiana ny mpanala fanadinana

Niforona ny taona 2022 ny association Seyen, mpandraharaha, coach de vie, sady mpitarika ary injeniera ny filoha mpanorina azy, Rafaniriantsoa Nomenjanahary Aimé Elia. Eny Itaosy ny ivontoerana misy ny fikambanana.

Midika hoe « race de guerrier » na taranaka mahery fo na taranaka mpiady ny anarana Seyen. Nalaina tamin’ny horonan-tsary miaina « Dragon Ball Z » io teny io ka ny toe-tsaina sy ny herim-po ary ny fahaizan’ireo foko  Saiyen  tao aminy no antony nisafidianana azy manokana, araka ny fanazavany. Ny olana, ny sedra atrehany ary ny adim-piainana lalovany no mampitombo ny heriny sy ny tanjany ka mitondra azy mankany amin’ny fahombiazana. Raha fehezina mahery fo tsy milavo lefona ny Seyen .
Natsangana ny association Seyen ho fanampiana ireo tanora misedra olana ara-pivelomana sy mila fivoaram-piainana tsara kokoa. Fa­hombiazana ho an’ny rehetra ny tanjony sy ny tarigetrany. Misehatra amin’ny fandraharahana sy ny famoronana asa ho an’ny tanora ny fikambanana ary mizara sy mampanao fampiofanana arakasa, toy ny Community manager, Graphic designer, Opérateur de saisie, fanamboarana savony…
Ankoatra izay, manohana ny fanabeazana ny fikambanana ka mampiofana ireo mpianatra ao amin’ny kilasy manala fanadinam-panjakana (terminale sy 3ème) ho tosika amin’ny fahombiazany. Ma­noratra boky ho an’ny taranja Matematika, SVT, Tantara sy Jeografia Malagasy, Filozofia ho an’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana sy 3ème koa izy ireo.
“Afaka miara-miasa amin’ny olona rehetra mitovy tanjona aminy ny fikambanana. Ady iraisana eto Madaga­sikara ny fialana amin’ny fa­hantrana ary mila ezaka avy amin’ny tsirairay hitondra fahombiazana izany”, hoy ny nambaran’ny mpitarika ny fikambanana.
Ny tanora no hoavin’ny firenena nefa tsapa fa milavo lefona ny sasany amin’ny fandraisana andraikitra tandrify azy eo anivon’ny ankohonana, fiarahamonina, ary firenena. « Te hanova zavatra aho, ho tanora mitondra fivoarana ny tanora ankehitriny, ka fitaratra ho an’ireo tanora toa ahy ny nananganako ny association Seyen », hoy Rafaniriantsoa.

Vonjy

Partager sur: