Nitrangana vaky fasana tao amin’ny fasam-pianakavian’ ny Ampanjaka Kamamy, ao amin’ny fokontany Mahavelonarivo, kaominina ambanivohitr’i Bemarivo Ankorondro, distrikan’i Belo sur Tsiribihina, ny sabotsy teo. Nandritra ny fandevenana raim-pianakaviana iray tao amin’io fasam-bahiny io no nisy olona nahatsikaritra fa vaky ny fasan’ny Ampanjaka. Nidina teny an-toerana ny solontenan’ny fianakaviana, niaraka tamin’ny zandary nanao fitsirihana. Voamarina tokoa fa vaky ny fasana. Tsy mbola fantatra kosa hatreto ny jiolahy tompon’antoka tamin’ity vaky fasana ity. Hitan’ireo mpanao fanadihadiana fa nisy ny fahaverezan’ny taolan’ireo tao am-pasana. Nahitana kasikety sy tavoahangina toaka teo akaikin’ny fasana. Mitohy, araka izany, ny famotorana ataon’ny zandary momba ity raharaha ity. Tsy mbola nisy rahateo ny olona voasambotra na ahina ho tompon’antoka tamin’izao vaky fasana izao.
J.C