“Manentana ny tsirairay mba ho tonga handatsa-bato. Tongava mifidy ka efao ny adidinao, fa fahefana sy adidy ny mifidy hahazoanao misafidy ny olona hitarika ary hamolavola ny asa fampandrosoana ao amin’ny kaominina misy anao”. Io ny hafatry ny filohan’ ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana rahampitso. Hisokatra amin’ny 6 ora maraina ary hifarana amin’ny 5 ora hariva ny fandatsaham-bato. Manome toky ny Ceni, fa araka ny soatoavina mifehy azy: mampanjaka ny fahamarinana hatrany izy, ka hamoaka ny valim-pifidianana manaja ny latsa-bato sy ny safidin’ ny vahoaka. “Noho izany, aoka isika hiandry amim-pitoniana ny voka-pifidianana, ka hitandro hatrany ny fihavanana malagasy”, hoy izy.
“Anjara sy zon’ny tsirairay ny manara-maso ny lisi-pifidianana sy ny fizotran’ny fifidianana. Tsy misy afa-tsy ny fanaraha-maso io”, hoy kosa ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, manoloana ny ahiahin’ny kandidà sasany ny amin’ny lisi-pifidianana tovana nampidirana an’ ireo nangataka didy hitsivolana. Azo arahi-maso any amin’ ny Site web ny lisi-pifidianana. Ao anatin’izany ny lisitra tovana misy ireo naka didy hitsivolana, izay azo arahi-maso amin’ny antsipiriany eny anivon’ny fokontany koa. Vao avy nivory niaraka tamin’ireo antoko na vondrona politika lehibe manana kandidà mahahenika an’i Madagasikara ny Ceni, eny Alarobia, omaly. Tsy azo eritreretina ny hisian’ny anarana miverimberina, satria misy ny fanaraha-maso. Ny rindram-baiko no mandà avy hatrany, raha vao misy anarana na ny mombamomba ny mpifidy mitovy.
R. Nd.