FANTINA sy FINTINA

Nidina ifotony tamin’ny kaominina 30 eo ho eo ny avy amin’ny fiarahamonina sivily, Organisation de la société civile, eau, assainissement et hygiène (OSCEAH), tamin’ny faran’ny herinandro teo. Anton’ny hetsika ny fanairana ireo ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina hanao ho vaindohan-draharaha ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana noho ny tsy fahampian’ ny rano, raha voafidy eo.
Lalàna no mametra ny fahazoana maka didy hitsivolana hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (Ifi), ny pasitera Razafindramanitra Nestor, teny Antsonjombe, afakomaly. Inona ny fangalaram-bato amin’izany? Fifidianana ifotony no atao, fanomezana zo sy anjara ny tsirairay.
Nosokafana, omaly, tany Livingstone Zambie, ny Fivoriambe faha-56 ny Forum Parlementaire de la SADC. Fivoriambe izay haharitra hatramin’ny zoma 13 desambra ho avy izao ary handinihina ny lohahevitra mahakasika ny fampiasana ny teknolojia hampiroboroboana ny parlemanta. Nanatrika izany, tamin’ny alalan’ny ampitain-davitra, ny solontenan’ny solombavambahoaka malagasy, Sophie Ratsiraka sy Michelle Bavy Angelica.

« Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny vinan’ny filoham-pirenena ny fanampiana ny vahoaka hisian’ny firaisankina sy hampiakarana ny fari-piainan’izy ireo ny fizarana fanampiana », hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Laharana voalohany amin’ireo andrin’izao fitondram-panjakana izao ihany koa ny fitsinjovana ny maha olona ka hanaovana ireny hetsika ara-tsosialy sy fizarana fanampiana samihafa ireny.

Partager sur: