Fifanakalozana ara-barotra; Voafaritra ny paikady hampiharana ny Zlecaf

Voarafitra avokoa ny piakady nasionaly hampiharana ny faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikanina (Zlecaf). Nisy ny fakan-kevitra tamin’ny sehatra tsy miankina, ny rafi-panjakana isan-tsokajiny mane­rana ny Nosy, nentina nandrafetana izany. Nanohana tamin’ ny famolavolana ity paikady ity ny Fandaharanasan’ny Fire­nena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud). Natolotra ny minisitry ny Fam­piroboro­bo­ana ny indostria sy ny varotra, Ra­lambofiringa David, ny alarobia teo, teny Ivandry, ny boky mirakitra ireo paikady hampiharina entina mampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra eto amin’ny kaontinanta afrikanina. Aim-pandrosoana sy fanambinana ho an’i Madaga­si­kara ny Zlecaf. « Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ara-toe­karen’ny firenentsika io paikady io », hoy ny minisitra. Betsaka ny tombon­tsoan’ny firenena amin’ny fidirantsika anatin’ny Zlecaf. Mari­hina fa mpiara-miasa sy mpiara-mi­ombon’ antoka amin’ny fandrafetana ny paikady nasionaly ny Pnud sady tompon’antoka amin’ny fanatanterahana ny asa.

Henintsoa H.

Partager sur: