« Fijery hafa »-Alaotra Mangoro : Liana amin’ny fiofanana ny tanora

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny LTP Ambatondrazaka, ny hetsika « Fijery Hafa » ho an’ny faritra Alaotra Mangoro, miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Tolotra fanofanana maro no nahafahan’ireo olona miisa 8 788 nisoratra anarana amin’ny sehatra 13. Anisan’izany ny teknika nohatsaraina amin’ny voly legioma sy anana, nahitana olona 323. Fanamboarana zezika 1039, zaitra 862, fiompiana 560, informatika 761, taotrano 311, fandrafetana hazo nisy 129. Tao koa ny tenim-pirenena vahiny 2439, fanaovana soudure 329, fanamboarana savony 457, fanamboarana mofomamy 966. Miampy sehatra hafa tsy tafiditra amin’ireo, nahatratra 493.
Tanjon’ny hetsika ny hanakaiky vahoaka ary manampy ny tanora amin’ny fiatrehany ny hoaviny arakasa. Nandritra ny fandalovan’ny minisitra mpiahy tany an-toerana, nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny faripiadidian’ny sampandraharaham-paritra izy, tao amin’ny Tranoben’ny kolontsaina Masinjara. Niompana tamin’ny fanomezana ireo toromarika hahafahana mampiakatra ny kalitaon’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny dinika.

Vonjy

Partager sur: