Fitaterana ana habakabaka: azo antoka ary atokisan’ny mandeha ny lanitr’i Madagasikara

Sehatra iray hisintomana mpizahatany ho tonga eto amintsika ny fitaterana ana habakabaka. Efa nametraka ireo rafitra sy ny fomba aha­fahana mifamezivezy amin’ izany ny Aviation civile de Madagascar (ACM). « Atokisan’ ny mpandeha sy ny kaompaniam-pitaterana ana haba­kabaka iraisam-pirenena ny lanitr’i Madagasikara », hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, nandritra ny lanonam-pamaranana ny fan­kalazana ny faha-80 taonan’ ny Organisation de l’Aviation civile Interanationale (OACI), teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny sabotsy teo. Notohizany fa tafakatra 11 ireo kaompaniam-pitaterana avy any ivelany manao sidina eto an-toerana. “Misy ihany koa ireo fiaramanidina manao sidina manokana eto amintsika”, hoy ny tale jeneralin’ny ACM, Da­masy Gervais. Midika izany fa manomboka mahazo aina ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka amin’izao fo­toana.

Ezaka
Manana anjara toerana lehibe ny fisorohana ny lozam-pitaterana ana habakabaka. Hijanona 10 andro eto amin­tsika, manomboka ny 13 ja­noary 2025, ireo tomponandraikitra miisa efatra avy amin’ ny OACI, hanara-maso ny ACM. « Antenaina fa hiakatra ambony ny naotin’i Madaga­sikara taorian’ny fanavaozana sy fanatsarana natao », hoy hatrany ny tale jeneraliny. Tsiahivina fa 43/100 ny naotin’ i Madagasikara ny taona 2013, nanaovana ny fanadihadiana farany.

Henintsoa H.

Partager sur: