Mahaiza mifidy, hialana ny mangidy

 

Rahampitso no fotoana! Andao hanao rodobe hifidy. Miandry ny vahoaka malagasy ny hoavin’ny firenena. Ny avy any amin’ny toerana tsy afaka mifidy aza mihazakazaka mamonjy toerana ahazoany mandatsa-bato. Nilaharana ny fakana didim-pitsarana ahafahana misitrika ny zo. Mainka rey olona efa anaty lisitra indray ve vao tsy hifidy?
Ben’ny Tanàna no resaka: olona akaiky antsika, mahalala ny maharary antsika, afaka ny hitondra vahaolana ihany koa. Tongava maro, mahaiza mitsinjo lavitra. Tsy hiandrasana ny hafa ny famaritana ny dimy taonan’ny fiainanao eny amin’ny fiarahamonina. Ny fandrotsahana ilay vato, fanehoana safidy dia efa famerana ny ngidin’ny fiainana.
Ny fahamaroan’ny mpifidy dia paikady ahafahana mampandresy izay tiana handresy. Na mpanohitra na mpanohana, afaka manao rodombe mampandany ny azy. Ny fahavitsian’ny mpandatsa-bato dia manome vahana antoko na olon-tokana mety tsy tiana akory. Maninona no hatao antoka ny hoavy? Lany andro amin’ny fifanomezan-tsiny isika kanefa tsy mandray an-tanana akory izay andraikitra tokony horaisina.
Zava-dehibe ny fifidianana, na ny henjana aza efa niditra an-tsehatra halina nanao fanentanana. Nampiseho fa tsy tokony hotsinontsinoavina ny fandehanana mifidy izay olona tokony ho tohanana. Isika hanateran-kira indray ve moa no hilaza tsy hahay handihy. Manana adidy amin’ny tanindrazana isika ka tsy tokony hivazivazy na hanamaivana ny fandehanana mifidy.
Aza mijery olona fa mijereva fotokevitra sy ny vina hoenti-mampandroso ny tanàna. Zava-dehibe ny fahaizana mametraka ho lohalaharana ny fampandrosoana eny ifotony. Tsy misy afaka ny hisehatra amin’izany anefa afa-tsy ny ao an-toerana ihany.
Tongava maro! mahaiza misafidy! Mahaiza mitsinjo lavitra fa tsy vitan’ny anio ny fiainana.

r.r

Partager sur: