Natelin’ny rano: Tovolahy 13 taona hita faty

Natsingevan’ny ranomasina, hita faty omaly atoandro, i Gario kely. Natelin’ny ranomasina tao Toamasina io zaza io, ny alahady 08 desambra teo. Nilalao tahaka ny ankizy rehetra izy. Nisy onja nahery tampoka ka voasinton’ny rano ity zazalahy ity sy ny iray hafa. Ni­­koropaka niantso vonjy ny nanatri-maso. Nokarohina izy roa lahy nanomboka ny tolakandron’ny alahady. Samy nanao ny fomba rehetra mety nahitana ireo zaza roa ireo, ny mpanjono, ny olon-tsotra sy ny tomponandraikitra. Minitra vitsy taorian’ny loza, hitan’ny fokonolona tamin’io andro io, ny iray tamin’ireo roa lahy natelin’ny rano. Tsy afa-niteny, mbola verivery saina izy ta­min’ny fotoana nampiakaran’ ny olona azy an-tanety. Tetsy ankilany, nanohy ny fikaro­hana ilay zazalahy faharoa namany ny sampana mpamonjy voina. Nandroso mai­zina, tsy hitan’izy ireo io zazalahy atao hoe Gario io. Hitan’ ny fokonolona, omaly, ity farany. Nosarihan’ny mpivoy lakana tamin’ny alalan’ny harato izy. Nentina namonjy ny tranom-paty ny razana. Matetika mam­pidi-doza io faritra nitrangan’ ny loza io, araka ny fanamafisan’ny loharanom-baovao.

*
Tsiferana R.

Partager sur: