ONG «les Orchidées Blanches» : Mankalaza ny faha-50 taonany

Mankalaza ny faha-50 taona nijoroany ny ONG les Orchidées Blanches amin’ity taona ity. Notokanana omaly, araka izany, ny zaridaina fahatsiarovana izay natao teny amin’ny foibeny tetsy Androhibe. Ankoatra izay, nanatanteraka hetsika fahatsiarovana ny zon’ny olona manana fahasembanana ho an’ny olona raisina an-tanana eo anivon’ny Akany izy ireo. Nisy ny fampitana fanilo, nahafahana nahazo vokatra maro teo amin’ny fikambanana tao anatin’izay fotoana izay. Tanjona ny hanapariahana ny ONG manerana ny Nosy, mba hahafahana mandray an-tanana sy mitaiza ireo olona manana fahasembanana ara-tsaina rehetra. Ma­hatratra 120 ireo olona raisina sy taizaina eo anivon’ity fi­kambanana ity, amin’izao fo­toana izao, raha ny tatitra voaray.
“Sarotra be ny fandresena lahatra ny ray aman-dreny fa manana olana amin’ny fandrosoan’ny saina ny ankizy manana fahasembanana ara-tsaina raha tsy alefa any amin’ny akany”, hoy ny tale misahana ny ONG les Orchidées blanches any Toamasina, Sylvio Mbara. “Mbola ady lehibe ho anay izany satria misy ireo ray aman-dreny tsy manaiky io tranga io mihitsy ka tsy mandefa ny zanany amin’ny ivontoerana”, hoy hatrany izy. Hamahana izany olana izany, misy ny fanentanana miaraka amin’ny fijoroana vavolombelona omena ny ray aman-dreny. “Nampianarina nandritra ny dimy taona tao an-trano ilay zaza fa tsy nahitana fiovana, nisy fivoarana kosa izy tao anatin’ny iray taona, rehefa nentina tany amin’ny akany”, raha ny fanazavana voaray. Hatramin’izao, mahatratra 24 ireo fikambanana misy eto amin’ny Nosy, noho ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka, toy ny Savonnerie tropicale.

Mino

Partager sur: