ONMAC-VG: Notsidihin’ny Légion d’honneur

Tonga nitsidika ny trano fampirantiana amin’ny Ofisy nasionaly malagasy ho an’ny mpiady tranainy sy ny Bekotromaroholatra Anosy (ONMAC-VG) ny delegasiona avy ao amin’ny fikambanana Légion d’honneur avy amin’ny Nosy La Réunion, notarihin’ny filohan’izy ireo. Nandray azy ireo teny an-toerana ny talen’ny ONMAC, ny Jly Raharijaona Faly. Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izao fitsidihana izao, indrindra amin’ ny fameloma-maso ny tantara. Famelabelarana ny tantara momba ny fandraisan’anjaran’ireo Malagasy tamin’ny ady lehibe faharoa no nanokafana ny fotoana. Notohizana tamin’ny fitsidihana ny trano fampirantiana eo anivon’ny ONMAC. Teo koa ny fitsidihana ny tsangambato eo Anosy, fahatsiarovana ireo Malagasy niady tamin’ny ady lehibe roa.

J.C

Partager sur: