Mazava ny tondrozotra nomen’ny filoha Rajoelina Andry, halina. ”Olona miasa ho an’ny vahoaka, kandidà manana vina fidiana”, hoy izy mahakasika ny fifidianana hatao rahampitso.
Nivahiny tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana, RNM sy TVM, ny filoha Rajoelina Andry, omaly alina. Noresahiny nandritra ny dinika ny mahakasika ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, hatao rahampitso. « Zava-dehibe ny fifidianana ben’ny Tanàna noho izy hamaritra ny hoavin’ ny tanàna iray. Ka ilaina ny fandraisan’anjara sy fahaiza-mifidin’ny olom-pirenena tsirairay », hoy izy. Notsindrin’ny filoha fa tanjona ny hanatanterahina fifidianana madio sy eken’ny rehetra ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena.
“Mila mandray anjara ary mila mahay misafidy ny vahoaka. Olona manana vina hanasoa ny vahoaka sy hiasa ho an’ny vahoaka no tena ilaina”, hoy hatrany ny filohan’ny Repoblika. Tanjona ny fampandrosoana ka tsy ilaina ny adilahy politika sy ny fikatsahana tombontsoa manokana. Nohamafisiny fa tombony lehibe ho an’ny tanàna ny fananana ben’ny Tanàna miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana foibe. Mora ny hanatanterahina ireo vinam-pampandrosoana. Tokony hahay hijery sy hifidy, araka izany, ny vahoaka mandritra ny fifidianana.
Sosialim-bahoaka
Ankoatra ny fifidianana, nampahatsiahy ny zava-misy eto amin’ny firenena, ankehitriny, izy. Nasiany tsindrim-peo ihany koa ny mahakasika ireo tetikasa lehibe vinavinain’ny fitondram6-panjakana hatao. Nambarany fa voasokajy ho anisan’ireo firenena mahantra i Madagasikara. Efa mitady vahaolana hiadina amin’izany ny fitondram-panjakana. Apetraka ho laharam-pahamehana ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka. Porofon’ izany ny hetsika ara-tsosialy atao sy ny fanatanterahana ireo tetikasa hanatsarana endrika ny tanàna.
Lin