Notanterahina ny zoma 6 desambra 2024, tao amin’ny Cercle mess Soanierana, ny famoahana ireo mpianatra andiany faha-30 eo anivon’ny Sekolin’ny Etamazaoro.
13 mirahalahy ireo andiany indray navoaka, rehefa avy niatrika fiofanana teorika sy fampiharana nandritra ny sivy volana. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, sy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny contrôleur général de police, Rakotoharimanana Herilala, notronin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjakana Manantsoa Rakotoarivelo. Teo ihany koa ireo manamboninahitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy. Nampirisika amin’ny fahazotoana hianatra ho an’ireo manamboninahitra ambony ny MFA mba hahafahan’ny tsirairay manatsara ny ezaka hitondra amin’ny fivoarana, ny fampandrosoana ary ny fandriampahalemana, indrindra manoloana ny ambana misy ankehitriny. Sekoly ambonin’ny Tafika Malagasy ny sekolin’ny Etamazaoro ka fiofanana avo lenta no arahina ao mba hahafahan’izy ireo manamboninahitra ambony manana fahaiza-manao enti-mitarika sy mivelatra amin’ny teknika marolafy.
Napetraka ny vato fototry ny sekoly vaovao
Fianarana feno arahin’izy ireo ka antony nampitomboana ny modules ho 10, raha enina izany teo aloha. Efa nahatratra 592 ny tomponandraikitra niofana teo anivon’ny sekolin’ny Etamazaoro hatramin’ny niforonany.
Nisantarana ny faha-30 taonan’ ny sekolin’ny Etamazaoro ny fanorenana sekoly vaovao ho famolavolana ireo manamboninahitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy. Napetraka tamin’io fotoana io koa, eny Betongolo, ny vato fototr’izany fotodrafitrasa lehibe izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny MFA sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola no hananganana izao trano lehibe manara-penitra mifanaraka amin’ireo filana takin’ny sekoly ambony izao.
Jean Claude