SOMBIM-BAOVAO

Fifaninanana manaraka eo amin’ny taranja basikety ny lalao natokana ho an’ny orinasa, izay hotanterahina afaka tapa-bolana. Fifaninanana karakarain’ny kaomisionin’ny mpitsara eto Madagasikara, eo ambany fiahian’ny Federasiona malagasin’ny basikety. Fifaninanana hamaranana ny taona 2024 ihany koa.

Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 21 desambra izao ny taom-pilalaovana 2025, ho an’ny ligin’Analamanga, taranja basikety. Ny 11 sy 12 janoary kosa no hanomboka amin’ ny andro voalohany ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja basikety. Tsiahivina fa nisy ny « Tournoi non licencié » natao ny faran’ny herinandro teo.

Nisongadina indray ny ekipan’ny Fosa juniors Boeny, tany Mahajanga, ny alahady lasa teo, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanam-pirenena, « Pureplay Football League (PFL) ». Nomontsanin’ny Fosa Jr, tamin’ny isa 4 no ho 0, ny Tsaramandroso formation Boeny. Andrasana indray izay mety ho tohin’ity fifanintsanana ity.

Efa azo lazaina ho vita tanteraka ny Kianja Barea Mahamasina, tsy mbola fantatra ihany nefa ankehitriny hoe oviana ny Caf no handalo hijery sy handinika ny fiovana sy ny kalitaon’ny kianja eto Madagasikara. Nilaza anefa ny teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa efa niantso ny Caf izy ireo, mba ho avy hijery ity kianja ity.

Partager sur: