Toamasina: Hanao lavanty ny ladoany

Hanomboka amin’ny alakamisy 12 izao, hatramin’ny 16 desambra, ny lavanty am­pahi­bemaso ao amin’ny orinasa SMMC sy MICTSL, ao amin’ ny seranan-tsambon’i Toama­sina. Karazany maro ny ha­midy amin’izany, ahitana fiara, entana anaty kaontenera karazany 113, ka manomboka amin’ny 10 000 Ar ny tombana hatramin’ny 1 miliara Ar. Ni­laza ny lehiben’ny fadintseranana Toamasina, Rakotonirina Hery André, fa feno ny toeram-pametrahana entana sady tapitra ny fe-potoana azo hitahirizana azy ao amin’ny SMMC sy ny MICTSL, ka tsy maintsy miroso amin’ny la­vanty ampahibemaso, araka ny voafaritry ny lalàna.
Natsangana ny vaomiera manokana, ahitana vadintany, ny Maître Randrianorosoa José, ny SMMC, ny MICTSL, ny ladoany… hisoroka ny kolikoly sy hanara-maso ny fepetra noraisina. Toy ny nampiakarana ny vola fiandry (caution) arotsaka any amin’ny banky, ka tsy averina raha toa tsy tapa-kevitra hividy indray ny olona liana. Misy koa fepetra manokana hisorohana ireo mpijirika na mpanelanelana.

Sajo sy Njaka A.

Partager sur: