Hita faty tao an-tranony eny Anosisoa Ambohimanarina, ny faran’ny herinandro teo, ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany vavy vao 2 taona monja. Maty vao haingana ny vadiny ka mipetra-drery miaraka amin’ny zanany roa (2 sy 4 taona) ity renim-pianakaviana ity. Miasa an-trano ao Ambodivona Ambohimanarina izy, araka ny fanazavan’ ny olona mahafantatra ny fiainan’izy telo mianaka. Nandeha nody izy sy ny zanany vavikely ny sabotsy teo rehefa avy niasa, kanjo tsy niverina intsony ny ampitson’io. Alahady rahateo ny andro ka tsy nahataitra ny mpampiasa azy izany. Ny alahady tolakandro, nandeha nanao fanatanjahantena ny zanaky ny mpampiasa azy. Nandalo teo akaikin’ny tranon’izy mianaka niharam-boina. Nanararaotra nandalo nijery ny zava-misy ireo mpampiasa azy. Nihidy ny varavaran’ny tranon’io renim-pianakaviana io. Hatairana anefa ny azy ireo raha naheno hikiaka sy ranomason-janany vavimatoa niainga avy ao an-trano. Nosokafana an-keriny ny varavarana ka hita tao an-trano ilay renim-pianakaviana sy ny zanany vavy faharoa efa tsy misy aina intsony. Araka ny fitantaran’io zanany vavimatoa io, nandalo tao amin’izy telo mianaka ny nenitoany nitondra sakafo. Nihinana io sakafo io izy ireo kanjo torana tsy nahatsiaro tena izy mianaka ka nitarika izao fahafatesana izao. Ahina ho voapoizina izy mianaka ireto, saingy ny valin’ny fanadihadiana no mamaritra izany. Tonga teny an-toerana ny BMH naka ny nofo mangatsiaka. Nalevina eny Ambohijafy Fenoarivo izy mianaka namoy ny ainy ireto.
J.C