Hotanterahina ny sabotsy 14 sy ny alahady 15 desambra ho avy izao ny dingana fahenina amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny karting na ny “Grand Prix karting”, tohanan’ny Motul ho an’ny taom-pilalaovana 2024. Io no fampahafantarana nataon’ny klioba FMMSAM, mpikarakara ny hetsika tamin’ ny mpanao gazety, ny talata lasa teo, teny Ankorondrano. Fifaninanana hatao eny amin’ny “circuit SRK” Imerintsiatosika. Hanana ny lanjany lehibe ity dingana ity satria hamaritra izay ho tompondakan’i Madagasikara. 23 ireo mpifaninana hiady ny lohany, 4 “minime”, 11 “junior” ary 8 “Elite” ka vehivavy ny
4 amin’ireo.
Notsiahivin’ny mpikarakara fa raha efa fantatra tamin’ny dingana fahadimy ny misalotra izany anaram-boninahitra izany, ho an’ny Junior, mbola hiadiana amin’io kosa ny toerana faharoa sy fahatelo, ka anisan’ireo hifampitana amin’ izany i Kanto sy i Cherinah. Mbola hangotraka toy izany koa ny an’ireo sokajy hafa.
Ankoatra izay, zava-baovao amin’ity Grand Prix Karting ity, ny “relais sprint”, misokatra ho an’ny rehetra na manana kara-pilalaovana na tsia. 18 ireo ekipa mandray anjara ka hisy mpifaninana 4 ao anaty ekipa iray. 45 mn ny dingana fifanintsanana ka manao famaranana ireo 6 voalohany, hifampitana mandritra ny 60 mn. Hisy fahitalavitra lehibe, hijerena ny fe-potoan’ireo mpifaninana.
Torcelin