Andriamarotafika Soava : “Tsy manamarina na tsia ny voka-pifidianana etsy sy eroa ny Ceni”

Mizara ny heviny mahakasika ny filazana voka-pifidianana etsy sy eroa ny Ceni. Mitaona ny Malagasy ho mailo sy ho tony ihany koa ity rafitra ity.

“Tsy mandiso na manamarina ireny voka-pifidianana miparitaka etsy sy eroa ireny ny Ceni, fa mitaona ny tsirairay ho mailo. Mba tsy sanatria ho sendra fahadisoam-panantenana, na sanatria hiteraka savorovoro eny anivon’ny fiarahamonina”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriama­ro­tafika Soava. Teny Alarobia, omaly, manoloana ny fisian’ny voka-pifidianana miparitaka etsy sy eroa no nahatoga ny fanazavany. Efa misy ny kandidà miarahaba tena fa voafidy. Manana so­lon­tena na de­lege teny anivon’ny birao fandatsaham-bato ny kandidà tsirairay avy. Nahazo dika mitovy ny firaketana an-tsoratra ny voka-pifidianana izy ireo. Raha mirindra tsara ny fomba fiasan’ny kandidà sy ny antoko politika misy azy, tokony hahazo mialoha ny voka-pifidianana ry zareo. Na izany aza, ny voka-pifidianana mivoaka avy eny anivon’ny Ceni no heverina fa manaraka ny rafitra nofaritan’ny lalàna. Mbola vonjimaika izay voka-pifidianana izay, fa izay avoakan’ny fitsarana voafaritry ny lalàna no voka-pifidianana farany.
Mba samy ho mailo àry ny rehetra manoloana ireo voka-pifidianana miparitaka etsy sy eroa. Hamafisiny ny fiandrasana amim-pitoniana ny voka-pifidianana avoakan’ny rafitra nofaritan’ny lalàna. Ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana izany. Mampita ny voka-pifidianana araka izay voarainy ny Ceni, araka ny maha vokatra vonjimaika na ampaham-bokatra azy. “Zava-dehibe ny fahazoan’ny rehetra mampiaina ny raharaham-pirenena amin’ny ho fanajana ny fiarahamonina mba tsy hisian’ny raorao”, hoy izy. Ho avy ny fetin’ny fa­ran’ny taona, hatao mirindra ao anatin’izany ny fanarahana ny voka-pifidianana.

R. Nd.

Partager sur: