Antohomadinika : miparitaka ny vola sandoka, lehilahy iray tratra

Nahatrarana vola sandoka ana hetsiny, lehilahy iray voasambotry ny fokonolona ka natolotra ny mpitandro filaminana, tetsy Antsalovana-An­tohomadinika, boriborintany voalohany, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Nisarontsarona anatin’ny satroka nandritra ny haizina, mody nitondra koveta io lehilahy io ary mividy atody eo amin’ireo mpamongady etsy Antohomadinika. «Tsy nisy nanampo izahay fa ataonay ho toy ny mpividy rehetra izy. Andro samihafa, teteziny nangalana atody 450 isa izahay mpivarotra”, hoy ny fanazavan-dRandrianantenaina Jaonina, anisan’ireo mpivarotra voasoloky. Teo am-panisana ny vola amin’ny andro mazava tsara, voamarina fa vola sandoka ny ampahany tamin’ireo nomena azy. “Manodidina ny 100 000 Ar mahery eo foana ny entana alainy ka sandoka ny ankamaroan’ny vola ome­ny”, hoy ny fanampim-panazavana. Nifampiresaka ny samy mpivarotra. Samy nahazo vola sandoka avokoa izy ireo tao anatin’ny herinandro.

Kendry tohina
Nandrasan’ny mpivarotra atody kendry tohina ny fotoana nahatongavan’io lehilahy mpisoloky io omaly maraina. Nanatona renim-pianakaviana iray indray izy. Nividy atody 400 ka nanolotra ny vola. Noraisim-potsiny satria nahatrarana vola sandoka teny aminy. Natolotra ny mpitandro filaminana teo no ho eo io lehilahy io. “Natsipiny tsy lavitry ny sobika nisy ny atody ny vola sandoka sa­san­tsasany tany aminy. No­lazainy fa izahay mpivarotra no tompon’izany”, hoy ny lasibatra. Mitotaly 9 hetsy Ar mahery ny vola sandoka efa nisolokiana ireo mpivarotra miisa fito, eny an-toerana. Mitaky ny hampiharana ny sazy sahaza an’io mpanaparitaka vola sandoka io ireo lasibatra. Marihina, mampigadra mandra-pahafaty ny fanaovana vola sandoka. Roa lahy voasambotry ny mpitandro filaminana tao Antaniavo Antohomadinika, ny volana oktobra teo. Nana­paritaka vola sandoka koa izy ireo ary nahatrarana 900 000 Ar hosoka niampy odigasy ary vato sarobidy.

Tsiferana R.

Partager sur: