Erick Manana sy Dama: Hitety firenena maro amin’ny 2025

Hihodina mandritra ny telo volana. Izay ny fandaharam-potoana efa raikitra ho an’i Dama sy i Erick Manana amin’io taona ho avy io. Mialoha izay, hiaka-tsehatra eto Antananarivo sy any Toamasina izy mirahalahy.

“Misy trosa tsy voaefa, satria tokony ho teo i Dama tamin’ny seho nankalazana ny faha-15 taona an-tsehatra anay sy i Jenny”, hoy i Erick Manana. Nivadika ho seho manokana Erick Manana sy i Dama izany, izay hotontosaina ny sabotsy 14 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCEsca Antani­mena. Aorian’izay hihazo an’i Toamasina izy mirahalahy, hanatontosa seho ao amin’ny CRJS, ny sabotsy 21 desambra.
“Na izahay aza tsy mahalala izay hiseho amin’ireo fotoana hiakaranay an-tsehatra. Rehefa miaraka izahay, iainanay fotsiny ny mozika dia miankina amin’ny fandraisan’ny mpijery eo koa. Ho tia tena kely izahay amin’ity, ka tena i Erick Manana sy Dama ranoiray io. Hararaotina tsara ny fotoana”, hoy hatrany i Erick Manana, raha nanontaniana ny mety ho endriky ny seho, nandritra ny fihaonan’izy mirahalahy tamin’ny mpanao gazety, omaly.
Vaovao lehibe hafa nambaran’izy mirahalahy: hanatontosa andiam-pampisehoana any Eoropa, Canada ary Eta­zonia izy ireo ny taona 2025. Haharitra 3 volana be izao ity fihodinana ity, izay hofaranana eto Madagasikara. “Misy ireo any ivelan’ Antananarivo no maniry ny hahita ka manontany anay foana koa. Amin’io taona ho avy io dia anjaran-dry zareo indray”, hoy i Dama.
Tsy izay ihany… “Hanokana fotoana hiketrehana hira vaovao ihany koa izahay. Tena hoe vao hoforonina mihitsy ireo hoentina ho an’ity tetikasa Erick Manana sy i Dama ity. Izay vao hisy izany fa ny hatrizay, ny hiranay mirahalahy no hataonay. Taorian’ny rakikira roa efa navoaka, dia io izany no ho fanintelony izay kasaina hoentina amin’io fihodinana io”, hoy hatrany i Erick Manana. Vaovao marososona ho an’ireo mpankafy, izay manamporofo ihany koa fa tsy mbola ho ato ho ato akory no hi­tsahatra amin’ny mozika sy ny famoronana ireto andrarezina ireto.

Zo ny Aina

Partager sur: