Finezza Ankadikely: Haneho ny kantony i Zouzar

Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 13 janoary 2025, eny amin’ny Finezza Ankadikely, ny varotra fampirantiana « couleur vif » an’i Taibaly Dilavarhoussen Zouzar, fantatra amin’ny anarana hoe Zouzar Valibhay. Sanganasany miisa 12 no haranty mandritra izany. Ity mpanakanto ity izay manana ny mampiavaka azy sy tena manana talenta tokoa amin’ny fanaovana hosodoko. Fony izy mbola mpianatra no efa nananany talenta tamin’ny fanaovana sary. Niezaka nifantoka ta­min’izany ary nandalina mahakasika ny zavakanto plastika manokana. Pouto Philip sy Christophe Gega no nampianatra sy nanjohy azy tamin’ny fianarany hosodoko ka nahatongavany amin’izao toerana misy azy izao.
Mpanakanto maneho ny maha izy azy amin’ny alalan’ny hosodoko i Zouzar Valibhay. Izy izay manana kolontsaina roa samy manana ny maha izy azy. “Fitaovana iray ahafahana maneho hevitra ny zavakanto. Ny fahaizan’ny mpanakanto mampita ny hafatra amin’ny alalan’ny zavakantony no maha kanto izay vokariny”, hoy i Zouzar. Tsiahivina fa anisan’ny mampiavaka ity mpanakanto iray ity ny fampiasany loko midorehitra amin’ny hosodokony.

Lin

Partager sur: