INDRAY MIJERY

Ankatoky ny Noely sy faran’ny taona, mahasarika ny mpiantsena ny karazan’entana zakan’ny fahefa-mividiny. Mahaliana ny ankamaroan’ny olona ny tsena tsy misy vidim-pidirana mivarotra ny entana ilaina amin’ny fety. Maro mpividy amin’izany ny karazana vatomamy isan-karazany, ny haingon-trano, ny kilalao ho an’ny ankizy, ny ankajo fitafy hiomanana amin’ny fety.

Mankalaza ny faha-50 taona nijoroany ny ivontoerana nasionaly mampianatra teny anglisy Cnela. Maro ny hetsika hanamarihina izany, toy ny fanokafana ny rantsana fahatelo any Barikadimy Toamasina. Ankoatra izay, ny famoahana ireo andiany nahavita fianarana teo anivon’ity ivontoerana ity. Izay namoahana sy nanolorana mari-pahaizana ireo mpianatra 155 nahavita fianarana teny anglisy tao amin’ny ivontoerana, ny 10 desambra teo. Manodidina ny 1 000 isaky ny telo volana ny mpianatra ho an’ny eto Antananarivo.

“Anisan’ny mahatonga ny fahataran’ny fivoa­han’ny valim-panadinana eny anivon’ny Oniversiten’ Antananarivo ny olan’ny herinaratra”, hoy Razakarivony Tantely, lehiben’ny sampan-draharahan’ny teny vahiny ao amin’ny Fakiolten’ny Teny sy ny Siansa maha olona ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, omaly. Nam­barany fa miankina amin’ny herinaratra avokoa ny ankamaroan’ny asa misy eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Tafiditra ao anatin’izany, ny fitaovana informatika rehetra, sy ny fampiasana solosaina.

Partager sur: