Lalàna any atsimo : 165 tapitrisa dolara avy amin’ny Bad

Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Banky afrikana ho an’ny fampandrosoana (Bad), ny 11 desambra teo, ny fampindramam-bola mitentina 165 tapitrisa dolara an’i Mada­gasikara, andiany fahatelo. Hanamboarana fotodrafitrasa mba tsy hampitoka-monina ny any atsimon’ny Nosy sy aty Afrika io vola io. Tanjona ny hanamorana ny fifanakalozam-barotra eo amin’ny seranan-tsambon’i Toliara sy Beira atsy Mozambika.
Anisan’ny asa goavana hampiasana ny vola ny fanamboaran-dalana, hatao godirao ny lalam-pirenena RN55, mampitohy an’i Bevoay sy i Morombe, mirefy 78 km. Mandalo ny lemaka voatondraka Bas Mangoky, mamokatra hatrany amin’ny 29 000 taonina isan-taona, ity lalana ity. Hohatsaraina koa ny fotodrafitrasa hafa efa misy, toy ny fanarenana ny tetezan’i Manombo, amin’ny lalam-pirenena RN9. Hisy tetezana vaovao roa hafa koa hatao, mirefy 460 metatra tsirairay avy, ka lasa hifandray ny RN9 sy ny RN55, sady mahakasika faritra roa, Atsimo Andrefana sy Menabe.
Nilaza ny filoha lefitry ny Bad, i Solomon Quaynor, fa hampivoatra ny sosialy sy ny fiharian’ny mponina any Atsimo ny fisian’ny fotodrafitrasa toy izao. Nanamafy ny tomponandraikitry ny Bad eto Madagasikara, i Adam Amou­moun, fa hitombo ny velontena amin’ny fambolena, fiompiana, jono, azon’ny mponina atao, satria misokatra ny tsena ary miantraika amin’ny toekaren’i Madagasikara izany.

Njaka A.

Partager sur: