12 andro mialoha ny andron’ny Noely, handeha mba hiresaka zavatra tsara. Tanjona ny mba hifampizarantsika mianakavy ny soa hoenti-mamarana ity taona 2024 ity. Taona nanjakan’ny tontolo politika, nahalatsa-danja ny sosialim-bahoaka. Nihazakazahana ny hahazoana ny maro anisa eny an-dapa, toy ny ao Tsimbazaza sy ny eny anivon’ny kaominina. Natao izay nahazoana ny fandresena satria mikajy ny haha marin-toerana amin’ny “seza” daholo.
Iaraha-miaina ny fahantrana lalina mianjady amin’ny vahoaka. Nahagaga fa tsy nahasakana ny mpanao fanatanjahantena sy ny Malagasy manampahaizana tsy hahatratra ny tanjony izany. Nanao ranolava izy tao anatin’izay roa volana izay. Nirarakompana ny medaly volamena sy ny anaram-boninahitra azo tany ivelany. Maromaro ny naha tompondaka raha tsy hilaza afa-tsy taty Afrika isika.
Misongadina ny mpikatroka haiady. Mandrombaka amboara ny mpilomano sy ny mpanao basikety. Tsy ambakan’izany ny zatovo mpanamory moto. Reharehan’ ny firenena ny tovovavy mpanao baolina kitra. Tsy mitsanga-menatra i Madagasikara raha miohatra amin’ny firenena afrikanina hafa.
Angaha moa eto anivon’ny kaontinanta ihany? Mipaka hatrany amin’ny tafon’izao tontolo izao mihitsy. Nitondra vokatra tsara ny mpiangaly JuiJutsi, volamena sy volafotsy re izany! Aoka fotsiny ny mpitoraka kanetibe. Taiza re no mbola nisy tompondaka maneran-tany? Mbola tompondaka lefitra ny ekipa. Santionany ireo fa firifiry ny Malagasy mamiratra.
Porofoin’ireo tanora fa tsy sakana ny tsy fisiana. Zava-dehibe ny fikirizana sy ny filofosana amin’izay atao. Na inona olana, tsy maintsy voadingana rehefa ao ny fahavononana. Tokony hampisaina ny fitondram-panjakana ny ezaka vita. Tokony hampisokatra ny kitapombolam-panjakana. Manan-kasina ny Malagasy, tsy resy tsy miady izany!
r.r