Namono ny zanany vao teraka : Voasambotra ilay ramatoa nahavanon-doza

Tra-tehaky ny zandary ilay renim-pianakaviana namono zaza menavava tao amin’ny kaominina Mahabo, afakomaly.

Vehivavy 20 taona, no­samborin’ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Ankadisarotra, kaominina Mahabo, distrikan’Ambohidra­trimo, ny 11 desambra teo. Hi­tan’ny fokonolona tao amin’io fokontany io ny zaza menavava iray, tamin’io andro io. Ni­hoson-dra tanteraka ny vavany ary notsatohana hazo ny ta­rehiny. Nampandre ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana, araka izany, ny solontenan’ny fokonolona. Notsirihin’ny mpitsabo ny va­tana mangatsiakan’ilay zaza. Voamarina fa novonoina tokoa ity farany. Nanao ny fa­nadihadiana teo amin’ny mponina manodidina ny zandary. Voasambotra ny renin’io zaza io. Niara-nentina natao famotorana aminy ny ray aman-dreniny. Tsy fantatra mazava, hatreto, ny antony namonoan’io vehivavy 20 taona io ilay zanany. Manentana ny tanora tsy hiroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo aloha loatra, raha toa ka mbola tsy vo­nona hitaiza ny zandary. “He­lo­ka eo anatrehan’ny lalàna ary mampigadra ny famonoan-jaza”, hoy izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: