Sambo Africa Mercy: lasa niatrika fikojana fa hiverina

Ho fikojana ny sambo mpitondra fitsaboana sy fandidiana, hanatanteraka fanamarinana ny fiasan’ny sambo iray manontolo ny tomponandraikitra ka handao an’i Madagasikara aloha ny Africa Mercy, anio. Hiverina hanohy ny asa fitsaboana kosa ny mpiasa rehetra ny volana febroary 2025, araka ny fampitam-baovao niraisan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Mercy ships. Mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ho fanomezana tolotra fitsaboana sy fandidiana maimaimpoana ho an’ny vahoaka mila izany. An’arivony ny olona nisitraka fandidiana ka nanova ny fiainany tao anatin’ny taona maromaro.
Miantefa amin’ireo olona marefo ny fandraisana an-tanana ka faritra maro no voakasika ary ilaharana ny fisoratana anarana hisitraka ny tolotra.
“Maharitra andro vitsivitsy ny fanamarihana hatao amin’ny sambo ka manamarika ny fitohizan’ny fiaraha-miasa ny fiverenany ny volana febroary ho avy izao”, hoy ny tale jeneralin’ny tolotra ara-pahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Ramarolahy Rija.

Vonjy

Partager sur: