Hotanterahina ny 26, 27, 28 ary 29 desambra izao, any Farafangana, ny fifaninanana «Agnambahy mifety» andiany faha-4. Fifaninanana karakarain’ny ligin’ny basikety Atsimo Atsinanana izy ity, iarahana
amin’i Minaoharisoa Christiane, Ankoay. Hiavaka ity andiany ity satria hisy taranja hafa hifaninanana ankoatra ny basikety 3×3 sy 5×5.
Notsenaina makotrokotroka, ny talata lasa teo, ny ekipa malagasy taranja lomano, avy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Zone 4, tany Namibie, izay nitondra vokatra tsara nody an-tanindrazana. Tsiahivina, fa medaly 10 be izao no azon’ny Malagasy, nahitana volamena 2, volafotsy 4 ary alimo 4.
Hofantatra ny alahady ho avy izao, etsy amin’ ny Kianja Elgeco Plus By-pass, ny anaran’ny ekipa ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny fifaninanana nasionaly baolina kitra, sokajy zandriny U20, lehilahy. Miisa efatra ireo klioba tafita amin’ity “Poule des As” ity. Hifandona, anio, ny Fosa Academy sy ny AS Faji.
Mitana ny laharana voalohany amin’ny fifanintsanana baolina kitra eoropeanina, “Ligue des Champions 2025” ny ekipa anglisy, Liverpool FC, manana isa 18, araka ny fikarohana natao omaly. Eo amin’ny faharoa ny espaniola, FC Barcelone, isa 15. Efa mandao ny fifanintsanana kosa ny RB Leipzig sy ny SK Slovan Bratislava ary ny Young Boys, izay tsy manana isa mihitsy.