Sarotra ny teny malagasy? 12 taona nianarana, mbola tsy mahay manoratra teny malagasy ihany. Taona maro no efa nananan’i Madagasikara ny toeram-pikarohana momba ny teny, kanefa, mbola Faralahinjaza hatrany ny teny malagasy. Fa manao inona fotsiny ny mpikaroka sy ny manam-pahaizana?
… Samy be diso avokoa! Soratra miteny, ilazana fa nahatafita hevitra ilay nanoratra. Mety ho izay tokoa, saingy, tamin’ ny alalan’ny soratra diso. Maro ireo fikambanana mikanto amin’ny alalan’ny teny. Manao hetsika izy ireny. Miompana amin’ny fampirantiana boky sy asa soratra ary ny momba ny mpanoratra ny ankamaroany. Izay indray ilay teny voasoratra.
Vitsy dia vitsy amin’ireny fikambanana ireny no manam-piniavana hanatanteraka atrikasa na fiofanana momba ny fanoratana ny teny malagasy na ny fitsipi-panoratana. Tsy mbola mazava ny anton’izay. Ny ankamaroany, anefa, ahitana mpikaroka sy manam-pahaizana ary andrarezin’ny teny malagasy avokoa ny mpikambana ao aminy.
Tsy manaitra azy ireny ve irony dokambarotra, petadrindrina, sns, rakotra fahadisoana irony? Ireo petatoko hoenti-manery ny teny malagasy ho tonga teny vahiny? Anaran-tanàna, ankehitriny, misy mandiso. Imerintsiatosika manjary Imeritsiatosika. Mitazam-potsiny ry zareo manam-pahaizana.
Fahaizana manaka-danitra…
Matetika any amin’ny sehatra “ambony” (araka ny fomba filaza mahazatra) no ahitana atrikasa na fiofanana momba ny fitsipi-panoratana ny teny malagasy. Nahandro tsy mivoa-pofona anefa izy ireny satria tsy ampy ny sehatra hanaparitahana sy hamelarana azy. Ireo mpanoratra mila izany aza tsy naharay izay vokatra sy fanapahan-kevitra nandritra ny atrikasa akory. Lasa ravaky ny Oniversite na ny Akademia Malagasy fotsiny ny boky navoakan’ireo mpikaroka.
Azo tohizina ny fampirantiana boky, fiantsana tononkalo, fampahafantarana mpanoratra. Saingy, mila miroso lalindalina kokoa ny fikambanana isan-tokony raha tiana ny hanabevoho ny teny malagasy. Mitaky fanatsikafonana ny fitsipi-panoratana izao vanim-potoana ankehitriny izao. Fohazina ireo voambolana nampiasaina fahiny. Harena be ho an’ny teny malagasy ireny. Anjaran’ny mpikaroka sy ny manam-pahaizana ary ireo vatonamelankafatra ny manao izany.
HaRy Razafindrakoto