TARATRY ny KANTO

Hisy velakevitra arahina adihevitra eny amin’ny Institut de civilisations, Musée d’art et d’archéologie Isoraka, anio amin’ny 10 ora maraina. Mahakasika ny « Vadin’Anarandray » eo amin’ny Betsileo ny lohahevitra hofakafaikana, tarihin’ny Dr Rakotorahalahy Njaka Elisabeth, mpikaroka ao amin’ny ICMAA. Heverina fa mahaliana ny maro, satria mahakasika rafi-piarahamonina ny lohahevitra.
Ingahibe Tselonina, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Vaovao mahafaly an’ireo mpanaraka azy ity, satria hiverina “hitrotro” an’i Tselonina i Mparany sy i Feno. Izy mirahalahy ireto no tena namerina ilay fanahin’ireo hiran’Ingahibe hatramin’izay sy namelona izany araka ny andrasan’ny tena mpankafy. Hanomboka amin’ny 8 ora alina ity fiarahana ity.
“Night car show”. Hanafana ny fotoana ny tarika Kiaka mandritra ny hetsika ho an’ny karazana fiara, anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Eo ihany koa ireo mpikosoka kapila toa an-dry DJ Dexta, DJ Manu, ary i DJ Looping. Efa andiany fahatelo ny hetsika.
Oxow, eny amin’ny Fara West Faravohitra. Azo lazaina fa misehatra an-trano ihany ry zalahy ireto, satria efa mahazatra ny mpankafy izany. Mbola manome fotoana indray ry Eric Rakotoary sy ny tariny rahampitso, manomboka amin’ny 8 ora alina. Hitondra indray ny rock sy blues malaza maneran-tany izy ireo. Hialoha ny Oxow ny Mad Band amin’io fotoana io.

Partager sur: