Nirona tany amin’ny fitoniana politika ny kabarin’ny filoha mpisolo toeran’ny Antenimierampirenena, omaly, nandritra ny famaranana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ity Andrimpanjakana ity.
«Eo ny raharaham-pirenena. Koa satria vanin’andro mendrika itsaharana politika izao andalovantsika sy iainantsika izao dia heverinay fa tsy tokony handahatra betsaka momba izay aloha isika amin’ity andro anio ity. Ny antso atao fotsiny: fanentanana ny rehetra mba samy hiandry amim-pitoniana ny valim-pifidianana izay vao natao». Io no nambaran’ny filoha mpisolo toerana ny Antenimierampirenena, ny filoha lefitra Andriamananoro Augustin, teny Tsimbazaza, omaly, namarana ny fivorian’ny Antenimierampirenena. Na izany, notsiahiviny fa nodinihina sy lany avokoa ireo volavolan-dalana 12. Zava-dehibe ary ivon’ny fivoriana ny fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2025.
Hita ny ezaka fanatsarana ny fampidiram-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny hetra na ladoany. Eo ny fahavononana hanao ezaka sy dingana goavana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, indrindra amin’ny vary. Efa andrandrain’ny maro ny fandraisana ho mpiasam-panjakana, hita taratra sy voasoratra ka isaorana ny fitondram-panjakana. Nisongadina koa ny momba ny fankatoavana ny fananganana ny Faritra fifanakalozana malalaka kaontinantaly afrikanina (Zlecaf). Tsena malalaka ahitana famoronan-karena ara-barotra, mikendry hanamorana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny firenena afrikanina izany. Amin’ny alalan’ny fanalalahana ireo karazana sakana ara-barotra sy ny momba ny haban-tseranana rehetra izany. Manainga ny Malagasy mpandraharaha hanararaotra izao fidirana amin’ny tsenabe kaoantinantaly izao izy. Nolaniana ihany koa ny volavolan-dalàna momba ny tetezana mihantona (Fly over) Anosizato.
R. Nd.