Mandalo an-tanindrazana i Anisha Jo. Fotoana efa niriany ela sy efa nampanantenainy koa ity, taorian’ny nandreseny tamin’ny “Star Academy” 2022.
Mpanakanto tsotra, feno fitiavana. Izay raha tsaraina amin’ny indray mitopy maso i Anisha Jo. Raha ny talentany kosa, niara-nahita izao tontolo izao tamin’ ny nandrombahany ny laharana voalohany tamin’ilay fifaninanana « Star Academy ». Ny fifaninanana no tany ivelany, fa mitempo Malagasy hatrany kosa ny fon’i Anisha Jo.
«Satria tany Frantsa dia hira tamin’ny teny frantsay ny ankamaroan’ny tao anatin’ny rakikirako voalohany, fa iray ihany no tamin’ny teny malagasy. Ny manaraka eo kosa, hira amin’ny teny malagasy avokoa. Izao ny fotoana hamoahako fa “hitoriako fitiavana ho an’ny Malagasy ny mozikako. Hanome ny soa sy ny kanto ho an’ny Malagasy aho. Ny fitiavana sy fanantenana no nanaovako mozika. Mba hahakasika ny fonareo ny mozika hatao », hoy ity mpanakanto ity, nandritra ny fihao-nana tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny foiben’ny Moozik Ankorondrano, omaly.
Fotoana nanomezan’i Anisha Jo andinindininy momba ilay fampisehoana voalohany hotontosainy eto Madagasikara io. Hotontosaina ny alahady 15 desambra izao ny seho, etsy amin’ny CCI Ivato, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Tanora mpitendry kanefa efa voky traikefa avokoa ireo hanaraka azy mandritra izany. I Fetrakely eo amin’ny gitara, izay efa niara-nitendry tamin’i Anisha tany amin’ny taona 2021 tany. Izy no nahitana an-dry Quator Squad eo amin’ny zavamameno misy tadiny. Manitra Rabarisoa eo amin’ny gitara, Miora Rabarisoa eo amin’ny ampongamaroanaka, Njaka Rakotonirainy eo amin’ny vatamaroafitsoka ary i Fy Rajaofetra eo amin’ny Piano. Misy mpanao feo lafika efatra ihany koa hitrotro ireo hira halahatra amin’ io fotoana io. “Hira 20 mahery eo ho eo, hahenoana ireo hira tao anatin’ny rakikirako efa nivoaka, miampy ireo hiran’olona nanamarika ahy, indrindra tamin’ ireo fifaninanana ireny no hataonay mandritra izany. Azoko antoka fa hahafinaritra io fotoana mamy io”, hoy hatrany i Anisha Jo.
Seho karakarain’ny Moozik, ilay sehatra fanjifana mozika malagasy ana habaka izy ity. Efa azon’ny mpankafy jifaina ao rahateo ny sanganasan’ity Malagasy mpanakanto iraisam-pirenena ity.
Zo ny Aina