Tanjon’ny orinasa Base Toliara ny mba tena hipaka amin’ny mponina any ifotony ireo tetikasa hataony. Singanina amin’izany ny fanatsarana ny velon-tena, ny sosialy, ny tontolo iainana.
Nihaona tamin’ny mpanao gazety any Toliara ny mpitantana ny orinasa Base Toliara, omaly, ankoatra ny efa natao teto Antananarivo, taorian’ny nilazan’ny fanjakana ny fisokafany indray. Nohazavaina ny bokin’andraikitra, ny fananganana fotodrafitrasa, ny asa hateraky ny tetikasa, sns. Ao anatin’ny mangarahara daholo ny zava-drehetra, ary azon’ ny daholobe jerena ny antontan-taratasy, hisorohana ny tsaho na vaovao tsy mitombina, sady misokatra foana ny fifanakalozan-kevitra.
Tsy mbola sokajiana ho firenena matanjaka amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany i Madagasikara. Tsy fantatry ny any Toliara loatra ny fitrandrahana vaventy, mahatonga ny fanazavana ny sain’ny mponina. Manome toky ny mpitantana ny Base Toliara, fa « tombontsoa lehibe ho an’ny faritra Atsimo Andrefana ity tetikasa ity, indrindra ny mponina any an-toerana. Ho fitaratra amin’ny fampiasam-bola goavana eto Madagasikara ny any Ranobe, mitentina 3 500 miliara Ar. Maherin’ny 23 000 miliara Ar ny hetra sy tamberim-bidy hiditra amin’ny fanjakana sy ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, miampy ny fampiasam-bola ho an’ny sosialy, mandritra ny 38 taona, fe-potoan’ny tetikasa ».
Tanora any ifotony
Mponina any ifotony ny 80% ny mpiasa horaisina, indrindra ny tanora, araka ny voafaritry ny lalàna. Manodidina ny 2 000 ny mpiasa hanangana ny fotodrafitrasa, ary maherin’ny 1 000 ny asa mivantana rehefa mandeha ny fitrandrahana. Mitohy ny fanofanana ny tanora any an-toerana, toy ireo 24 mianadahy efa niofana tany Kenya.
Mandritra ny 14 volana ny fanomanana, fa efa mitohy kosa ny fandaminana sosialy, toy ny lafiny fananan-tany, ny famindrana fasana, ny fananganana sekoly, toeram-pitsaboana, lavadrano miisa 50, sns.
Njaka Andriantefiarinesy