Fanatsarana ny jono madinika : Tratra ny tanjona ho an’ny C3 Madagascar

Nahomby ny fitantanana sy ny asa vitan’ny tetikasa « Conservation centrée sur la communauté » (C3) Madagascar, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Ecofish, vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola, any amin’ny faritra avaratra, nandritra ny efa-taona. Nisehatra tamin’ny fitantanana maharitra ny jono madinika tamina faritra telo tany an-toerana ny tetikasa. « Nofanina manokana ny mpanjono mba hahazoana ny antotam-baovao ka natao tao anatin’ny herintaona ny fanangonana izany », hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa, Rabemamy Fara, omaly, nandritra ny atrikasa nataony teny Faravohitra. Nivoitra tao anatin’izay ny vokatry ny jono azo amin’ireo faritra telo iasan’ny C3 Madagascar sy ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Na izany, tanjona ny hanatsara bebe kokoa ny jono madinika sy ny fitantanana ny ranomasina ary ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ny mpiara-monina any an-toerana. Vinan’ny tetikasa ny hampivelatra ny sehatrasa ataony any amin’ny faritra hafa, hampiroboroboana ny jono madinika sy ny toekarena manga manerana ny Nosy.

Henintsoa H.

Partager sur: