FANTINA sy FINTINA

Mamaritra ny lalàna fa eo anivon’ny sampana mpanisa vato (SRMV) eny amin’ny distrika no afa-mangataka ny hanaovana fampitahana voka-pifidianana ny kandidà, araka ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly. Azo anaovana izay fangatahana fampitaham-bokatra izay koa ny rafitra eny anivon’ny renivohi-paritany.

Ny filohan’ny Antenimierampirenena malagasy no mitarika ny Forum parlemanteran’ny SADC, araka nyfivoriambe faha-56. Mandritra ny roa taona ho avy ny fe-potoam-piasana. Natao tany Livingstone Zambie, omaly, ny famaranana ny fihaonana sy ny famindram-pahefana teo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao. Nodinihina tamin’ny fivoriana ny fanovana ny forum ho parlemantera rezionaly.

Voatendry ho praiminisitra frantsay i François Bayrou. Nivoaka, omaly, ny didim-panjakana manendry azy ho eo amin’izany toerana izany. Ity praiminisitra ity izay avy amin’ny antoko “Centriste”. Efa nitana andraikitra maro toy ny depiote, ben’ny Tanàna ary minisitra koa izy.

Tontosa, omaly, teny amin’ny Ivontoeram-pampianarana malagasy momba ny Teti-pivoarana « Imatep » Ivandry, ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpiteti-pivoarana miisa 23 mianadahy, andiany faha-33 misalotra ny anarana hoe : “Mijoro”. Fijery miabo sy fahaiza-manao avo lenta, eo amin’ny kalitaon’ny fitantanana lavitry ny kolikoly no nirarian’ny Sekretera jeneralin’ny governemanta ho an’ireto andiany ireto.

Partager sur: