Hifarana anio ny seminera momba ny fitsaboana ara-panatanjahantena sy ny “dopage”, eto amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, izay natao nanomboka ny alatsinainy lasa teo, tetsy Mahamasina. Nahazo fanasana avokoa ireo taranja ara-panatanjahantena maro, ankoatra ny Taekwondo WT.
Rehefa natao ny fanadihadiana, nilaza ny eo anivon’ny Komity olympika malagasy (Com), fa tsy mbola nahazo fankatoavana avy amin’izy ireo ity taranja ity ka izay no antony tsy nahazoany ny fanasana. Etsy ankilany, nanambara ny lehibe iray ao amin’ny Federasiona malagasin’ny Taekwondo WT (FMTKD), fa efa nalefa any amin’ny Com avokoa ny taratasy rehetra nangatahan’izy ireo. “Nilaza ny ao amin’ny Com fa hanatanteraka fivoriana, hiresahana manokana mahakasika ny taranja Taekwondo”, hoy ny loharanom-baovao iray avy amin’ny FMTKD.
Tsara marihina, tamin’ity federasiona vaovao ity ihany vao tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny Com ny Taekwondo malagasy WT raha toa ka nisitraka izany foana ny taranja, nandritra ny fe-potoana maro nitondran’ilay lehiben’ny FMTKD fahiny. Ity lehibe teo aloha ity, izay tsy tazana eto an-tanindrazana ary mbola mitazona ilay kaody iraisam-pirenena tsy ahafahan’ny federasiona mandefa mpikatroka Taekwondo mifanintsana any ivelany.
F.R