Mampahatsiahy ny BNGRC ny amin’ireo karazana loko fanairana amin’ny filazana loza rehefa misy faritra andro ratsy na rivodoza amin’izao fotoan’ny fahavaratra izao.
Ho an’ny loko maitso dia filazana fanairana, 2 ka hatramin’ny 5 andro mialoha’ny handalovan’ny rivodoza. Mila miomana amin’ny fanamafisana ny tafo sy ny varavarana, tapahina ny hazo mampidi-doza ary arovana ny taratasy saro-pady rehetra, ny fitaovan’ny mpianatra, bokim-pianakaviana sy ireo kopia, taratasin’ny tany….
Filazana loza manambana kosa no miloko mavo, iray na 2 andro tsy hahatongavan’ny loza. Afindra toerana azo antoka ny biby fiompy ary manangona sakafo ampy mandritra ny andro vitsivitsy. Atao akaiky ny vatoaratra ihainoana ny radio, ny labozia… Akarina an-tanety ny lakana ary mamonjy toerana azo antoka raha mora dibo-drano na atahorana ny trano fonenana.
Ho an’ny loko mena dia loza mitatao, efa mihatra amin’ny toerana naharay filazana ny loza. Tsy tokony hivoaka ny trano intsony, tapahina ny herinaratra sy ny entona fandrehitra. Ampiana ireo marefo sy sembana mba tsy ho tra-doza. Manaraka tsy tapaka ny vaovao. Tsy mivoaka ny trano na mitsahatra aza ny rivotra sy ny orana.
Filazana miloko manga, filazana fahamailoana. Efa lasa ny loza saingy mila mailo hatrany. Diovina ny rano sotroina, mitandrina amin’ny trano mety hitera-doza na tamboho na rindrim-bato… Tandremana ny mivezivezy amin’ireo andrin-jiro midaboka amin’ny tany…Manao tatitra amin’ny tomponandraikitra mahakasika ny fahasimbana miseho taorian’ny fandalovan’ny loza.
Tatiana A