Fifidianana ben’ny Tanàna Antananarivo: Mitarika ny kandidà Harilala Ramanantsoa

Mivoaka tsikelikely ny vokatra avy amin’ny Ceni. Ho an’ny eto an-dRenivohitra, mitarika vonjimaika ny kandidà Harilala Ramanantsoa.

Mitarika vonjimaika ny kandidà Harilala Rama­nantsoa, ho an’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina eto Antana­narivo Renivohitra. Manana salanisa 48,01% izy, araka ny fironam-bokatra navoakan’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), omaly hariva.

Manaraka ny kandidà Hari­lala Ramanantsoa, ny kandidà laharana faha-4, Ravaloma­nana Tojo, avy amin’ny Tiako i Madagasikara (Tim). Salanisa 31,80 % no azony. Eo amin’ny laharana fahatelo no misy ny kandidà nitondra ny laharana faha-2, avy amin’ny Tia Tanin­drazana, Razafinjoelina Ta-hina, (12,26%).

Mpifidy 219 085 amin’ireo 580 969 voasoratra ao anaty lisi-pifidianana no tonga nifidy, izay manome taham-pahavitrihana 37,71% ho an’Antanana­rivo Renivohitra manokana, araka ny tatitry ny Ceni hatrany. Marihina fa ny teny anivon’ireo tanàna renivohi-paritany ihany no navoakan’ity Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana ity, izany hoe, ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra, Fianarantsoa, Toama­sina, Toliara I, Antsiranana ary Mahajanga.
Vinavinain’ny Ceni havoaka ny 24 desambra izao, fara-fa­hatarany, ny voka-pifidianana vonjimaika.

Lin

Partager sur: